Manaitra ny Filoham-panjakana sy ny governemanta vaovao ny mpiasan’ny orinasa Adema. Mitaky ny handoavan’ny orinasa Ravinala Airports S.A, ny volany mitentina 16 000 euros. Haba ho an’ny fitantanana tsy voaloa nanomboka ny taona 2020 io vola io.
Namoaka fanambarana ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Adema, omaly 20 oktobra. Nampahatsiahiviny fa miisa 57 ny seranam-piaramanidina manerana an’i Madagasikara, tantanin’ny orinasa Adema. Nanomboka ny taona 2015, nomena ny orinasa Ravinala Airports SA, sampan’ny orinasa Aéoroport de Paris (ADP), ny fitantanana ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo sy Nosy Be mandritra ny 28 taona. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana fa misy ny ampaham-bola, haba noho ny famindram-pitantanana (Redevance de concession), aloan’ny Ravinala Airports amin’ny Adema. Izany hoe, alaina amin’ny saran’ny tapakila ary arotsaka any amin’ny Adema. Nambaran’ny mpiasa anefa fa tsy nandoa izany intsony ny Ravinala Airports nanomboka ny taona 2020, izay mitentina 16 000 euros na 80 miliara Ar.
Niforona ny taona 1991, ka mitantana ny seranam-piaramanidina amin’ny tanàn-dehibe miisa 12 (Ivato, Nosy Be, Antsiranana, Mahajanga, Sambava, Toamasina, Sainte-Marie, Fianarantsoa, Mananjary, Toliara, Morondava, Taolagnaro) io orinasa io. Nesorina taminy ny roa, izay tena mampidi-bola, Antananarivo sy Nosy Be, saingy nomena azy kosa ny fitantanana ny seranana madinika miisa 45 hafa. Izay seranana tsy ahazoana tombom-barotra, fa noho ny antony sosialy, satria lavi-toerana sy mitoka-monina. Izay no mahatonga ny seranana tantaniny miisa 55. Maherin’ny 300 ny isan’ny mpiasan’ny Adema manerana ny Nosy.
Nasondrotra ny «Redevance aéroportuaire»
Talohan’ny nitantanan’ny Ravinala, nahatratra 7 dolara isaky ny tapakila ny haba ho an’ny seranana (Redevance aéronautique) ho an’ny zotra iraisam-pirenena, ary 3 250 Ar isaky ny tapakila ho an’ny zotra anatiny. Nasondrotry ny Ravinala Airports ho 14 euros izany ho an’ny zotra anatiny, ary 38 euros ho an’ny zotra ivelany, ary nampiakarina ho 38 euros indray taty aoriana.
Njaka Andriantefiarinesy




