Nanao amboletra, niditra tao amin’ny foibe Jirama Ambohjatovo Ambony, ny mpikambana iray ao amin’ny sendikan’ny mpiasa, omaly. Taorian’izay, nilaza ny pejin’ny Jirama ofisialy fa mbola mitohy hatrany ny fandrahonana atao amin’ny tale jeneraly, Ron Weiss. Voalaza fa mpiara-miasa sasany mbola te hanohy, handetika lalindalina kokoa ny orinasa, noho ny kolikoly, ny halatra solika, ny fanodinkodinam-bola, karazana hosoka isan-karazany.
Marihina fa misy amin’izy ireo no efa noroahina dia miverina indray. Misy koa ireo efa an-dalam-pandroahana. Mihamahery vaika moa ireo mpanao fihetsiketsehana ka tonga hatrany amin’ny famakiana vavahady, tahaka izay nitranga omaly maraina.
Miantso ny fiarovana avy amin’ny mpitandro filaminana izy ireo, ary manamafy fa manatanteraka ny baiko avy amin’ny Fitondram-panjakana, ny amin’ny tokony hiverenana amin’ny asa andavanandro, ny mpitantana an’ity orinasa malagasy ity.
Fitia Randria




