Orinasa Star : Ostie ho an’ny mpiasa, eny Andranomahery

Laharam-pahamehana ho an’ny orinasa Star ny fiarovana ny mpiasa amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny fahasalamana. Nisokatra ny 20 oktobra teo ny toeram-pi­tsaboana Ostie, eny amin’ny foibe Andranomahery. Hano­me fitsaboana haingana sy tsara kalitao, iarahana amin’ny ekipa mpitsabo sy fitaovana maoderina, mba hisitra­han’ny mpiasa fitsaboana mendrika.
Ankoatra ny fotodrafitrasa, mandray anjara amin’ny he­tsika fisorohana sy fanampiana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny orinasa Star. Mikarakara fanomezan-dra matetika, mandray anjara amin’ny he­tsika fanentanana «Oktobra Mavokely» ho an’ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranon-jaza. Ny «Oktobra manga», ho an’ ny fahasalaman’ny lehilahy. Miara-miasa amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy, sns.
Fenitra ISO 45 001
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ISO 45 001 mahakasika ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny asa ny Star. Anisan’izany ny fanokafana ity toeram-pitsaboana eny Andranomahery ity. Eo koa ny lafiny fisorohana, izay fototra iorenan’ny politikan’ny orinasa amin’ny fahasalamana sy ny fiarovana. Hitarina tsikelikely manerana an’i Madagasikara ity tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasan’ny Star ity.

Njaka A.

Partager sur: