Manana mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny Ravinala Airports ny orinasa Adema. Mahafantatra ny zava-misy sy ny fomba fandoavana ny vola rehetra.
Namaly ny fanambaran’ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Adema, ny Ravinala Airports, mahakasika ny volany 16 tapitrisa euros na 80 miliara Ar. Nohazavainy fa azon’ny Ravinala Airports tsara ny zavatra manahirana ny mpiasan’ny Adema. Notsipihiny fa manaraka ny fampiharana ny voaraikitry ny fifanarahan’ny roa tonta tsara no hampiharina, mba hiarovana ny Madagascar Airli—nes, sady hiantohana ny tetikasan’ny mpampiasa vola eto Madagasikara. Nomarihin’ny Ravinala Airports fa ankoatra ny Haba ho an’ny famindram-pitantanana (Redevance de concession) ny seranan’Ivato sy Nosy Be, misitraka haba hafa, 5,8 dolara isaky ny tapakila ho an’ny zotram-paritra sy iraisam-pirenena, sy 1 800 Ar/tapakila ho an’ny zotra anatiny ny orinasa Adema, izay tantanin’ny Ravinala Airports. Manana mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny Ravinala Airports ny Adema, mahalala tsara ny fomba sy ny dingana samihafa amin’ny fandrotsahana io vola avy amin’ny haba io. Miisa 151 ny mpiasan’ny Adema noraisin’ny Ravinala Airports tamin’ny desambra 2016.
Manoloana ireo, manamafy ny mpitantana ny Ravinala Airports, fa vonona mandrakariva amin’ny fifampidinihana, entina hametrahana ny mangarahara ao anatin’ny fifanajana tanteraka eo amin’ny roa tonta.
Trosan’ny Air Madagascar
Amin’ny alalan’ny tapakila aloan’ny mpandeha ny vola miditra, izay angonin’ireo kaompania ana habakabaka. Eo koa, ny haban-tseranam-piaramanidina (redevances aéroportuaires) aloan’ireo olona miditra ao anaty seranana any amin’ireo orinasa mpisehatra eny an-toerana, ka anisan’izany ny Ravinala Airports. Tsy nahavita nandrotsaka ny vola tokony ho nomeny ny Ravinala Airports ny kaompania Air Madagascar tamin’ny taona 2019, anisan’izany ny haba ana habakabaka (redevances aéroportuaires).
Efa mandeha ny dingan’ny fifampiraharahana eo amin’ny Ravinala Airports sy ny fanjakana malagasy mahakasika ny antoka, ahafahana manonitra ny haba amin’ny famindram-pitantanana (Redevance de concession) hampihenana ny trosan’ny Air Madagascar.
Njaka Andriantefiarinesy




