Fadintseranana Malagasy: Misy ny tanjona ara-tontolo iainana

Miditra an-tsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fadintseranana malagasy. Voarakitra ao amin’ny Tanjona stratejika faha-8, ao anatin’ny Drafitra stratejika vaovao ho an’ny 5 taona manaraka (2025-2029) izany. Voafaritra ao ny fanamafisana ny fanaraha-maso amin’ny fanondranana antsokosoko ireo zavamananaina arovana sy ny vokatra manimba ny tontolo iainana. Eo koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa mba haharitra sy hanaja ny tontolo iainana. Manampy izany ny fampiroboroboana ny vokatra manaja ny fenitra ara-tontolo iainana sy manampy amin’ny toekarena maharitra.

Zava-dehibe ireo voalaza ireo satria antoka ho an’ny hoavin’ny toekarena sy ny taranaka ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatsiaro ma­nana andraikitra amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fanampiana ny fampandrosoana lovain-jafy ny Fadin­tseranana. Amin’ny alalan’ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, hanaraka ny fenitra ara-tontolo iainana sy ny fanohanana ny fifanakalozam-barotra ma­haritra no hanatanterahin’izy ireo izany. Tanjona ny ho maitso sy haharitra ny Fa­dintseranana miaro ny harena voajanahary, mampifandanja ny fampidirana ny volam-panjakana, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ary ny toekarena maitso mitsinjo ny ho avy.

Njaka A.

Partager sur: