Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Orinasa Parabole Madagascar, omaly, fa hikatona vonjimaika izy ireo ny 31 oktobra ho avy izao. Tsy midika ho fanafoanana ny orinasa izany fa fandinihana ny lafiny arakasa mifanaraka amin’ny teknolojia misy ankehitriny.
Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny, facebook, ny orinasa Parabole Madagascar, omaly. Nilaza izy ireo fa hitsahatra tanteraka ny asan’izy ireo amin’ny 31 oktobra ho avy izao. Hijanona avokoa, araka izany, ny asa ara-barotra sy ny fizarana ary ny fandefasana fandaharana anatin’ity vondrona satelita ity, manomboka amin’io fotoana voatondro io.
Nilaza izy ireo fa tsy midika ho fikatonana mandrakizay ity fanapahan-kevitra ity fa maka fotoana fotsiny handinihina sy handrindrana ny fomba fiasa vaovao, mifanaraka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny zava-misy azo hatolotra ho an’ny haino vaky jery.
«Tsy midika fiafarana izany, fa natao handinihina sy handrindrana ny asa vaovao araka ny fiovan’ny teknolojia, ny fomba fampiasan’ny olona ny haino aman-jery, ary ny zava-misy ara-toekarena amin’izao fotoana», raha ny fanambaran’ny Parabole Madagascar hatrany. Nandritra ny 25 taona, niantsehatra teto Madagasikara io orinasa io, ary niezaka nizara ny fandaharana iraisam-pirenena sy avy eo an-toerana teto amin’ ny Nosy sy ny manodidina, indrindra ireo firenena aty amin’ ny ranomasimbe Indianina.
Fitia Randria




