Vaovao tambatra

Tsy mbola mivaha ny olan’ny sehatry ny lavanila eto amintsika. Misy ny mpandraharaha sasany milaza fa tokony halalahana ny tsena ary tsy ferana ny isan’ny mpandraharaha te hanondrana any ivelany. Misy kosa anefa ny mitsipaka an’izany, satria tsy mahavaha ny olana ny fanalalahana azy. Anisan’ny mampitotongana ny vidiny koa anefa, ny fahavitsian’ny vahiny mpanafatra avy any ivelany, sady mbola misy ny tahiry tamin’ny taon-dasa tsy mbola lafo.

Manana pejy vaovao, « E-brochures », ny Fadintseranana malagasy. Hita ao amin’ny tranokalany izany, ahitana ireo karazana bokikely fampahafantarana ny tontolon’ny Ladoany malagasy. Hanampy ny manan-draharaha liana te hahafantatra bebe kokoa ny asan’ny Fadintseranana io pejy io. Hanamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy amin’ny fanafaran’entana. Tanjona ny hampisy ny mangarahara sy hanakaiky ny daholobe.

Notendrena ho tale jeneraly mpisolo toerana (DGi), ny kaompania Madagascar Airlines, Andriama­monjy Mahery. Izy no mandimby ny DG teo aloha, Thierry de Bailleul, izay nametra-pialana. Hainy tsara ny tontolon’ny Madagascar Airlines, satria efa izy ihany no tale jeneraly lefitra. Anaty fahasahiranana tanteraka ity orinasam-panjakana ity ankehitriny,
amin’ny lafiny ara-bola, ny famerenana amin’ny laoniny ny zotra anatiny, sns.

Partager sur: