« Afrima 2025 »: Voafidy hifaninana i Denise

Vaovao lehibe indray ho an’i Denise manokana, sy ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny. Nanambara tamin-kafaliana ity mpanakanto ity, omaly, fa voafidy ho anisan’ireo hifaninana mandritra ny «All Africa Music Awards 2025» na ny «Afrima» izy. Ao amin’ny sokajy mpihira vehivavy mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana no misy an’i De­nise, milahatra amin’ireo na­many marobe izay efa samy malaza maneran-tany avokoa. «Sambany aho no voafidy ho anisan’ireo hifaninana. Tsy mbola vokatra farany io, fa misy fifidianana azon’ny rehetra handraisana anjara, ka hanentanana izay maniry ha­nohana ahy», hoy ny nambaran’i Denise.
Ny taona 2014 no nanomboka ny «All Africa Music Awards». Araka ny anarany, natao hanomezam-boninahitra sy hanasongadinana ny mozika sy ny mpanakanto afrikanina izany. Misy sokajy marobe ao anatiny, ka izay tena kalaza manerana an’i Afrika ihany no voafidy hifaninana ao. Izay mandresy isan-tsokajy dia efa mpanakanto mamiratra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary misokatra ny lalany amin’ny tohin’ny asany. Any Lagos, Nigeria, no hatao ny hetsika rehetra manodidina izany sy ny lanonam-pamaranana ny 25 hatramin’ny 30 novambra izao.

Zo ny Aina

Partager sur: