Fampiasana ny Internet : Miantso ny hijerena ny sarany ny Artec

Manao antso avo hijeren’ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny saran’ny fampiasana ny internet eto amintsika ny Artec. Velon-taraina mahakasika ny tolotra ny mpanjifa.

Nandray andraikitra ma­noloana ny fitarainan’ny mpanjifa mahakasika ny saran’ny internet eto Mada­gasikara ny Autorité de régulation des technologies de communication (Artec). Araka izany, miantso ireo orinasam-pifandraisan-davitra hijery akaiky sy hanitsy ny saran’ny internet ao anatin’ny fotoana fohy ny Artec.
Velon-taraina manoloana ny vidin’ny internet eto Mada­gasikara ny mpanjifa. « Lafo sady tsy mahafa-po ny ankabeazan’ny tolotr’ireo orinasam-pifandraisan-davitra», hoy izy ireo. Antony nahatonga ny Artec namoaka fanamba­rana mahakasika izany. Tsia­hivina fa nisy ezaka vita hatramin’ny faran’ny taona 2024 ka nahatonga ny fanitsiana ny saran’ny internet eto Mada­ga­sikara. Na izany aza, mbola tsy namaly ny hetahetan’ny mpanjifa ny zava-misy.
Tanjona, araka izany, ny hampifandanjana ny tolotra sy ny tinady. Nampahatsiahi­vin’ ny Artec fa tsy andraikiny kosa ny mametraka ny saran’ny internet eo amin’ireo orinasam-pifandraisana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna laharana 2005-023.

Tombontsoa

Mijanona ho mpanelane­lana sy mandrisika ny fifampidinihana eo amin’ireo tom­ponandraikitra samihafa ity andrimpanjakana ity. Tanjona ny hiantohana ny rafitra ara-drariny sy mangarahara, mifanaraka amin’ny fifaninanana ara-barotra sy ny fahafaham-pon’ny mpampiasa. Marihina fa mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy ny internet. Tanjon’ny Artec ihany koa ny hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny hitondrana ny fanovana eo amin’ny firenena, indrindra ny tombontsoan’ny mpanjifa. Tsiahivina fa nahitam-piakarana 18,9% ny fampiasana internet eto amintsika, ny taona 2023. Lasa 38 141 izany, raha toa ka 32 074 ny taona 2022. Niakatra 79,47% ihany koa ny fampiasana  internet amin’ny finday nandritra ny taona 2023 raha toa ka 68,47% izany teo aloha.

Henintsoa

Partager sur: