Araka ny vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, mikasa hanao fitokonana faobe, anio, etsy Ambohijatovo, ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama sasany no hitarika izany eny an-toerana. Mbola mipetraka ho votoatin’ny fitakian’izy ireo ny fanalana ny tale jeneralin’ity orinasa ity, i Ron Weiss, ary milaza izy ireo fa hametraka tale jeneraly vaovao hisahana ny toeran’io teratany vahiny io.
Milaza ny tsy hiverina hiasa mihitsy ireo mpitokona raha tsy miala i Ron Weiss. Manamafy ny lehiben’ny sendika fa tsy tokony hanaraka ny teny sy ny baiko izay omen’ny tale Ron Weiss intsony ny mpiasa manomboka izao. Miantso ny sendika maro eto Madagasikara sy ny Gen Z izy ireo mba hiara-hientana amin’ny fanalana an’ity tale jeneraly ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny 20 oktobra lasa teo no efa nikasa hiditra tetsy Ambohijatovo Ambony ny sendika, hanala an’io tale jeneraly io, saingy voasakana teo am-bavahady avy hatrany. Taorian’io, namoaka fanambarana ny mpiasan’ny Jirama sasany ny amin’ny mba handraisan’ireo mpitandro
filaminana andraikitra mahakasika ny zava-nitranga tahaka ireny.
F.R




