Tsena iraisam-pirenena : Mampiasa ny Galileo ny Madagascar Airlines

Misokatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines. Nanam­bara ity orinasam-pitaterana ana habakabaka ity fa tafiditra ao amin’ny rafitra “Global Dis­tribution System” (GDS) Ga­lileo an’ny Travelport ny tolotra omeny ny mpanjifa. Fitaovana ampiasain’ny Agence de voyage maneran-tany amin’ny famandrihana sidina, trano fandraisam-bahiny, fiara ho­faina ary tolotra fitsangantsanganana hafa ny Galileo.
Azo jerena sy amidy amin’ ny alalan’ny Galileo amin’ny fotoana rehetra, araka izany, ny sidina rehetra, ny vidiny ary ny sokajy famandrihana ao amin’ny Madagascar Airlines. Manamora ny famandrihana ny fampiasana azy.
“Fampiharana mivaingana amin’ny fanirianay hampitombo ny fahafantarana ny kaompania sy ny fidirana amin’ny tambajotra maneran-tany ny fampiasana ity fitaovana ity”, hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana an’ny Madagascar Airlines, Andriamamonjy Mahery. Fa­nampin’ny fisian’ny kaompania ao amin’ny Amadeus. Ani­san’ny tanjona ny hananga­nana orinasa maoderina, mahomby ary misokatra amin’ izao tontolo izao, raha ny fanazavany.
Ankehitriny, sady anaty Amadeus no anaty Galileo ny Madagascar Airlines. Afaka manitatra ny fifandraisany amina Agence de voyage maro kokoa maneran-tany, araka izany, ny kaompania indrindra amin’ireo faritra iantseharan’ ny Travelport, toy ny any Ame­rika, Afrika ary Azia. Araka izany, manampy amin’ny fiarovana ny lalam-barotra sy manome fahafahana malalaka kokoa amin’ny fandraharahana ity fanavaozana ara-teknolojia ity.
Ankoatra ny lafiny ara-teknika, mikendry ny hanitatra ny varotra amin’ny alalan’ny mpiara-miombon’antoka na­hazo fankatoavana Iata (BSP) sy ARC any Etazonia ny kaom­pania.

Henintsoa

Partager sur: