Jirama : Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly ny sendika

Mitaky ny ialan’ny tale jeneraly Ron Weiss, ny mpiasa, omaly, nandritra ny fitokonana nataony teny amin’ny birao foiben’ny orinasa eny Ambohijatovo ambony. Hiato avokoa ny asa rehetra mandra-panendrena ny tale vaovao, hoy ireo sendika.

Niroso tamin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny orinasa jirama, ny tanora avy amin’ny « Gen Z », ary sendika hafa nitaky ny fialan’ny tale jeneralin’ny Jirama. Mandrahona ny hanidy ny biraon’ny tale jeneraly miaraka amin’ny vadintany ihany koa ny mpiasa amin’ny herinandro raha toa ka tsy mametra-pialana izy. « Efa ho iray volana no tsy niakatra biraony ny tale jeneraly sy ny lefiny roa ary ireo mpiara-miasa aminy hafa », hoy ny delegen’ny sendikan’ny mpiasa, Andriana­harinirina Abel. Toe-javatra izay heverin’ireo mpiasa ho fanaovana tsinotsinona azy ireo. Porofo izao fa tsy misy mpitarika ny orinasa. Mitaky ny hijerena ny fifanarahana arakasa izay mamono miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany ny mpiasa, mangataka ny hanafoana ny rafitra napetraka teo aloha ny mpiasa. Takina ihany koa ny famokarana angovo, tokony atao laharam-pahamehana ny fanarenena ny orinasa, hoy hatrany ny fanazavany. Noto­hizan’ny filoha nasionalin’ ny sendika, Ratovomanarivo An­mo­ra fa « very ny fahatokisan’ny mpiasa ny tale amin’izao fotoana ary tokony haverina amin’ireo manam-pahaizana malagasy avy eto an-toerana izay mahafantatra ny zava-misy ny fitantanana ».
Firaisan-kinan’ny rehetra
Miezaka mandamina ny toe-draharaha ny tale jeneralin’ny Jirama, Ron Weiss, raha ny fanambarana nataony ao amin’ny pejy fesiboky ofisialin’ny jirama. Miantso fitoniana izy sady naneho ny fahavononany hanohy ny fanavaozana enti-manatsara ny orinasa. Marihina fa voatendry hitantana ny Jirama nanomboka ny volana avrily 2024 ity injeniera teratany vahiny ity. Manana traikefa aman-taona maro izy ary anisan’ny nanarina ny zava-nisy tao Rwanda. Voa­laza tao anatin’ny fanambarana nataony fa « afaka manova ny famokarana angovo i Mada­gasikara raha miara-miasa ny rehetra ». Voarakitra ao anatin’ny drafitra napetraka ny vola jona 2025 ny fametrahana ireo milina mpamokatra angovo azo avy amin’ny ma­so­andro, ny fanavaozana ny tambazotra, ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa hatramin’ny taona 2026. Tsiahivina fa 36% ny Malagasy no mbola misitraka herinaratra saingy mbola matetika ny fahatapahan-jiro. Ankilany, efa mandeha ihany koa ireo tetikasa hanatsarana ny famokaran-drano toy ao Amoronakona, fanatsarana ny fotodrafitrasa ao Mandroseza ary ny fanaovana lavadrano any Ampiriky sy Laniera. Andrasana ny volana febroary izao ny vokatra voalohany.

Henintsoa

Partager sur: