Tsy omena ny lanjany hatreto ny lafiny fikarohana ara-tsiansa. Raha ny nambaran’ny Fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka (ACE), zara raha ny 0,01% ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika monja no atokana ho an’ny asa fikarohana. Miisa 9 ny Foibem-pikarohana, ka 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. Tsy voaray manontolo anefa io vola io, ka anisan’ny takian’ny ACE ny hampitomboana azy sady omena manontolo, ahafahana manatanteraka antsakany sy andavany ny asa fikarohana.
Manohana ny fikarohana ara-tsiansa ny orinasa Yas. Natao, omaly, teny amin’ny foibe Akademia Malagasy Tsimbazaza ny dinikasa mahakasika ny fikarohana ara-tsiansa, ny ACE. Anisan’ny vinan’izy ireo ny mba ho loharanon’ny fahaiza-manao ny asa fikarohana, ka ao anatin’izany ny hametrahana ny rohivoaharin’ny ara-tsiansa. Maromaro ny lohahevitra nifantohana. Mahakasika ny fenitry ny fikarohana, satria misy ny tsy mbola mahafehy izany, na efa mahafantatra aza ny eny amin’ny Oniversite. Nodinihina ny fahaiza-manao, sy ny fifandraisana amin’ny minisitera mpiahy. Nomarihin’ny filohany, ny Dr. Baohanta Rondro, fa mijanona ho mpanolo-kevitra ny ACE. Hiezaka hamoaka raki-kevitra ny ACE, ka hatolotra ny minisitera, entina hampitoboroboana ny siansa.
Njaka A.




