Hotanterahina ao Panama, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra, ny fifaninanana iraisam-pirenena « First Global Challenge 2025 » (FGC) momba ny robotika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Éco-Équilibre », izay andraisan’anjaran’ireo tanora marobe avy amina firenena maherin’ny 190. Hisolo tena an’i Madagasikara i Nathan, Hanniel, Barisoa ary Sylvio. Tanora mpianatra eo anelanelan’ny 14-17 taona, hamolavola robotika hitandro sy hiaro ny tontolo iainana. « Efa niomana amam-bolana maro ireo injenierakelintsika ireo ary nandray anjara tamina fiofanana ara-teknika samihafa. Hatramin’ny 1 mey teo, miisa 16 ireo challenges vitan’izy efatra mianadahy», hoy ny mpitarika ny ekipam-pirenena, Razafiaritsara Ando. Manohana azy ireo ny Yas Madadagascar, Change Maker ary ny Stem for Good Madagascar. Tsiahivina fa efa nitondra avo ny firenena ireto katikakelintsika ireto nandritra ny roa taona misesy ary mbola vonona indray hanandratra ny fahaiza-manaony amin’ny fikirakirana ny robotika sy ny teknolojia.
Henintsoa




