VAOVAO TAMBATRA

Tonga eny Ambohimanambola ireo fitaovana ahafahana mamelona ireo milina miisa telo simba mpamokatra herinaratry ny Jirama. Mitentinta hatrany amin’ny 3 miliara Ar ireo fitaovana ireo. Hiampy 20MW ny famokarana herinanatra eto an-toerana, aorian’ny fanamboarana ary hihena ny fahatapahan-jiro lavareny. Marihina fa manodidina ny 10 andro isaky ny milina ny fanamboarana hatao.

Manahy sahady krizy sosialy sy fiakaran’ny vidim-piainana ny ankamaroan’ny tokantrano amin’izao. Mananosarotra ny fampidiram-bola sy ny fitadiavana asa ho an’ireo tanora vao nahavita fianarana. Mijanona ho vahaolana ny fandraharahana madinika saingy mila tohana samihafa ny fanatanterahana izany

Tonga ao Taolagnaro ireo fitaovana fitahirizana hazandrano miisa 15 sy vata fampangatsiahana 200 l mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisitraka “panneaux solaires” miisa 15 ihany koa ireo mpanjono sy mpandraharaha any an-toerana mba hitazomana ny kalitaom-bokatra. Azo tamin’ny fiaraha-miasa ny GIZ Prada novatsian’ny vondrona eoropeanina vola no nahazoana ireo fitaovana ireo.

Partager sur: