TSELATRA

Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tanimboliny, tao amin’ny fokontany Ankazomihogo, kaominina Sambava, omaly. Tsy hita nanomboka ny sabotsy lasa teo io ramatoa io. Simba ny vatany ary vely kibay no ahina ho nitarika ny famoizany ny ainy.
Moto roa tra-doza teny amin’ny Rond-point Masay, omaly. Nitarika ny loza ny tsy fifandeferana teo amin’ny mpitondra moto roa tonta. Tsy nisy aina nafoy, saingy safotra ny iray tamin’izy ireo.
Miantso ny olom-pirenena rehetra ho mailo hatrany manoloana ny firongatry ny tranga fisolokiana ny polisim-pirenena. Miseho amin’ny endriny maro samihafa, toy ny fampiasana hosoka sy fandraikiraikena io fomba ratsy io.
Nidina an-dalambe nanao sakan-dalana, omaly, ireo fianakavian’ny lehilahy iray voatifitry ny polisin’ny Sag, ny alarobia lasa teo, tetsy Namontana. Nanambara izy ireo fa tsy jiolahy io maty voatifitra io. Niezaka nandamina ny toe-draharaha teny an-toerana ireo tomponandraikitry ny filaminana.

Partager sur: