Jirama: Hihamafy ny fitokonana

Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Man­ga­taka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy ireo masoivoho mbola misokatra sy manohy ny asany mba hiantohana ny fitohizan’ny tolotra ho an’ny mpanjifa, toy ny eny amin’ny foiben’ny orinasa eny Am­bohijatovo Ambony, ny etsy Ambatonakanga ary Soa­nierana. Toy izany koa ireo mpiasa ara-teknika eo anivon’ny orinasa izay miantoka ny fikojakojana ireo milina sy fitaovana samihafa.
Tsiahivina fa nanome 72 ora ny tale jeneralin’ny Jirama ny sendikàn’ny mpiasa mba hialany. Nandrahona ny hanidy ny biraony miaraka amin’ny vadintany ihany koa ny mpiasa amin’ity herinandro ity raha toa ka tsy mametra-pialana izy. Ankilany, niezaka nandamina ny toe-draharaha i Ron Weiss tao amin’ny pejy facebook Jirama, ny faran’ny herinandro teo. Niantso fitoniana sady naneho ny fahavononany hanohy ny fanavaozana enti-manatsara ny orinasa ny tenany.

Henintsoa

Partager sur: