Tsy manaiky ny fikasana hiditra amin’ny tsy ara-dalàna ny ben’ny Tanàna ao Toamasina sy ny mponina.
“Misy te hisarika mankany amin’ny gaboraraka ireo tanora maro an’isa any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara, taorian’ny fitakiana ara-politika sy sosialy momba ny jiro sy rano, tamin’ny volana septambra lasa teo. Tokony hifarana amin’izay ny hetsika fidinana an-dalambe manao fitakiana amin’ny endriny maro satria efa voarafitra ny mpikambana eo anivon’ny governemanta izay tarihan’ny praiminisitra, Herintsalamana Rajaonarivelo. Eto vao manomboka handinika ireo karazam-pitakiana maro izy ireo amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra. Efa miezaka mafy manampy ara-pitaovana ireo zanaka sahirana ara-pivelomana ny ben’ny Tanàna, Alain Andriafanomezantsoa”, hoy i Zafitsara Maria Christine, filohan’ny fiarahamonina sivily, amin’ny alalan’ny ONG Fafed. Nohamafisiny fa tsy mora ny manao zavatra, indrindra izany fanovana ifotony izany. Ilàna faharetana sy tanjaka izany, indrindra ny ara-tsaina. Anisan’ny voakasik’izany ny hetsika fitakiana eo amin’ny lafiny fampianarana. Teo koa ny fitsarana amin’ny ataon’ny mpandraharahan’ny fonja, ny fahasalamam-bahoaka, ny asa sy fampananan’asa, izay takin’ny ankolafin’ny tanora maro an’isa. Manampy izany ny fitakian’ny sendikaly mivondrona ao anatin’ny randrana sendikaly sy ny maro hafa. Tsy ho vita mora ny fanovana fa ilàna fotoana maharitra, raha ny nambarany hatrany. Mety mbola tsy azo antoka mandritra ity fitondrana entin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ity ny fanovana ifotony eto Madagasikara. Mety any aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena vaovao, afaka roa taona na mihoatra vao tena hita ny fiovana, raha ny fanazavany hatrany.
Fotoana fanaovana fikaonandoha izao fotoana izao mba hamolavolana lalàmpanorenana tiana hatolotra amin’ny fifidianana manaraka. Nambarany fa fotoana tokony handraisan’ny tanora “Gen Z” anjara ihany koa. Mety hisy hamolavola isam-paritra mba hisafidy faritany mizaka tena na faritra federaly. Nambarany fa izao efa misy izao no hatsaraina.
Tsy eken’ny maro ny fanalana ny ben’ny Tanàna
Etsy ankilany, tsy ankasitrahin’ny mponin’i Toamasina ny fikasan’ny olom-bitsy manomana sy manakorontana ny fialan’ny ben’ny Tanàna, raha ny zava-misy. Samy mahatsapa ny rehetra fa miasa ary efa hita ny vokatr’izany asa izany tao anatin’ny fotoana fohy nitantanany.
Maro ny fihetsiketsehana mikasa hanala ben’ny Tanàna. Vokany, raim-pianakaviana roa no naratra nandritra ny fikasan’ireo andian’olona nihevitra ny hiditra an-keriny tao amin’ny Lapan’ny Tanàna. Tsy nanaiky izany ny mpiasa eo anivon’ny kaominina ka niaro ary nisy fifandonana teo amin’ny roa tonta. Olona roa naratra, tamin’ ireo mitonona ho “bande rouge”. Nanamafy ireo mponina any an-toerana fa tsy ekena ny fiverenana amin’ny gaboraraka fa aleo hiandry fotoam-pifidianana. “Ankehitriny, efa mandeha sy raisina isam-bolana ny karama izay tsy nisy an’ izany teo aloha ka tsy mety raha hiverina amin’ny gaboraraka nisy teo aloha indray”, hoy ny mpiasan’ny kaominina.

Betsaka ny fiovana
Ho an’ny kaominina Toamasina manokana, azo soritana tsara ny zava-bitan’ny ben’ny Tanàna tao anatin’ny fito volana nitantanany. Nosokafana ny lalana manahirana tokony hiasan’ny fiaran’ny vondrona mpamonjy voina sy mpitandro filaminana. Madio ny tatatra izay mahatonga dibodrano, mitohy ny fanamboarana lalana simba sy lalam-baovao atao béton. Mandeha tsy ankiato koa ny “jeux d’eau” mba hanomezana tombontsoa ny mpitsangantsangana. Manaraka izany, ny fanesorana ireo mpivarotra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra hitsinjovana manokana ny ankizy mpianatra. Ny fametahana faritra fiampitana, fampanarahan-dalana ny mpitatitra amin’ny alalan’ny posy sy Bajaj sy ny maro hafa ihany koa.
Nokianin’ny maro kosa ny hevi-dratsy izay ataon’ireo andian’olona mikasa ny hizarazara ny toerana malalaka eo anoloan’ny Kianja manara-penitra Barikadimy. « Mpanao politika efa lo eritreritra ary tsy misy fitiavana an’ i Toamasina ny manao izany », hoy ireo mponina. Nambaran’izy ireo hatrany fa faritra hanaovana fotodrafitrasa mahatohitra rivodoza io toerana io. Atao fitoeran’entana sy sakafo ary anaovana trano fitoeran’ny traboina ihany koa izany.
Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana hatrany fa tsy ekena ny fanaovana gaboraraka satria tany misy lalàna ny eto ka aoka hifanaja. «entanina ny tanora mba tsy hanaiky ataon’ny olona fitaovana hanakorontanana sy hanao zavatra mihoatra ny fefy», hoy hatrany ny ben’ny Tanàn’i Toamasina, Andriafanomezantso Alain.
Nanatontosa : Sajo




