Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra ny taom-piotazana letisia eto amintsika. Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha. « Nisy ny ezaka nataon’ireo mpisehatra taorian’ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny vokatra. Ity farany izay mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy mampidi-bola ny firenena fa indrindra miteraka asa ho an’ny tanora », hoy ny mpandraharaha iray. Notsindrin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, nandritra ny fihaonany tamin’ireo vondrona mpanondrana letisia (Gel), ny sabotsy teo, fa hapetraka ny fizarana ara-drariny ny fatra ho an’ireo mpandraharaha rehetra. Atao izany hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany. Dingana izay tafiditra ao anatin’ny paikadim-panarenana ny toekarena izay mikendry ny hampitombo ny famokarana eto an-toerana, hanangana asa, ary hanatsara ny fiainan’ny mponina.
Fepetra
Voaresaka nandritra ny fifanakalozan’ny roa tonta ny momba ny kalitao. Tafiditra ao anatin’izay ny fitahirizana ny vokatra hiatrehana ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. «Zava-dehibe ny manamafy ny fiarovana mandritra ny fiotazana, hanamorana ny fitaterana sy fanondranana ny vokatra. Atao izany mba hiantohana ny fenitra ara-teknika sy fitsipiky ny famerenana ny vola vahiny », hoy ny Praiminisitra. Kendrena manokana ny hampahomby ny taom-pamokarana sy ny fanondranana. Noho izany, vinavinaina haondrana any Eoropa, ny herinandro voalohany na faharoa ny volana novambra, ny letisia malagasy.
Henintsoa




