Miandrandra fanovana sy fanarenana haingana ny toekarena sy fampandrosoana ny firenena ny Malagasy rehetra taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovaon’ny governemanta. Maro ny asa miandry ny tsirairay ary manantena rivo-baovao eo amin’ny sehatry ny toekarena ny isan-tokantrano. Miandry vokatra haingana sy mahomby avy ami’ny minisitry ny Toekarena ny Malagasy indrindra mahakasika ny vidim-piainana sy ny fanatsarana ny velon-tenany.
Maty antoka tanteraka ny mpiompy amin’izao fotoana. Tafidina hatrany amin’ny 400 Ar ny vidin’ny atody manoloana ny fiakaran’ny vidin-katsaka izay foto-tsakafon’ireo biby fiompy. Tsy afa-manoatra fa mivarotra fatiantoka ny tantsaha, nihena hoy ireo ny mpanjifan’ny atody taorian’ny raharaha Ambohimalaza. Mbola betsaka ihany koa ireo manahy amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana sakafo.
Vahaolana goavana sy maharitra ny andrasan’ny mponina amin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo vaovao, Ralitera Ny Ando Jurice, manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana. Ny sendikan’ny mpiasa ny Jirama izay mbola manamafy ny fitokonany sy mitaky ny fanesorana ny tale jeneralin’ny orinasa. Mbola manao ranolava rahateo ny fahatapahan-jiro ka mampimenomenona ny mpanjifa.




