Nodimandry ny alin’ny talata lasa teo, teny amin’ny hopitaly Soavinandriana, ny Colonel Ranaivoarison Théodule Edith. Efa narary efa ela ary notsaboina teny an-toerana ny tenany izao tsy tana izao ny ainy. Efa nitazona andraikitra amin’ny maha kaomandin’ny Groupement de la Gendarmerie Atsinanana. Efa nitazona andraikitra CIRGN Toamasina ihany koa ny tenany.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy By-Pass, omaly maraina. Nidona mafy tamin’ny fiarabe ny moto iray. Nandeha mafy ilay kodiaran-droa ary tsy tafajanona rehefa nahita ilay fiara. Vokany, naratra mafy ilay mpitondra kodiaran-droa. Potika sy simba tanteraka kosa ny moto.
Tafakatra 42 ireo olona marary voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny fokontany Ambolamena, kaominina Bongatsara (Antsahalava), distrikan’ Atsimondrano, afakomaly. Nihinana composé tamin’ny mpivarotra eny an-toerana izy ireo. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny CSBII Anjomakely avokoa izy rehetra. Efa ao anatin’ny fanaovana fitiliana ny sakafo mety ho nisy ny fahapoizinana moa ny mpitsabo amin’izao fotoana. Mbola mikatona avokoa ireo mpivarotra hani-masaka eny an-toerana.
Vehivavy Tanzaniana, 45 taona, tratra nitondra rongony milanja 6 kilao teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy lasa teo. Tsikaritry ny mpitandro filaminana avy amin’ny ADSU (Anti-Drug and Smuggling Unit) ho hafahafa izy ka nosavaina. Nafenina tao anaty fonosana roa izay voaaro tsara ireo zava-mahadomelina, nokasaina haondrana any amin’ny Nosy Maurice ireo.




