Vaindohan-draharahan’ny governemanta vaovao ny fanavaozana hanatsarana ny toekarena hampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga teo aloha, Mahatante Paubert, sy ny minisitra mandray ny toerana Cahn Kit Waye Jaco, teny Ampandrianomby, omaly. « Apetraka ny rafitra ahafahana mandrindra ny fanjonoana drakaka », hoy ny minisitra. Ambany ny vidin’ny drakaka rehefa vitsy ny mpanondrana ka hojerena ny fomba hampakarana izany hanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpanjono. Apetraka ihany koa ny fatra sy ny hangezan’ny vokatra aondrana, takina kosa ny haha matihanina sy hampanarahan-dalàna ny mpandraharaha. Notsindrin’ny minisitra manokana fa tsy handefitra amin’ireo mpanao kolikoly ny tenany, izay manimba sy mamotika ny toekarena sy ny fiharian’ny Malagasy.
Fanondranana
Ankoatra izay, tontosa tetsy Ambohidahy, omaly, ny famindram-pitantanana teo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, izay nizara ho departemanta roa. Mandray an-tanana ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina ny minisitra Rasoarahona Andriniaina. Mitantana ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana kosa Andriamadisona Haingotiana Michela Angèle. « Mpitari-dalana ho an’ny fanavaozana ny tenako, hojerena ny tombontsoan’ny mpanjifa, hisian’ny fifaninanana eo amin’ny mpandraharaha ».
Vonona hiara-miasa amin’ny rehetra kosa ny minisitra Rasoarahona Andriniaina ho fampandrosoana ny indostria sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny famoronana asa samihafa.
Henintsoa




