Betsaka ireo trano may tany Mitriaky, kaominina Analapatsy, Fort–Dauphin, ny alin’ny 27 oktobra lasa teo. Levon’ny afo nandritra izany ny trano 97 tafo. Nihitatra haingana ny afo noho ny herin’ny rivotra teny amorontsiraka. May avokoa ny antsasaky ny tanàna. Olona 206 traboina. Renim-pianakaviana iray naratra, nandritra ny loza.
Avotr’ireo fokonolona sy zandary ny olona dimy nataon’ny dahalo takalonaina tany Mahatsinjo, Maevatanàna, afakomaly maraina. Nalain’ireo dahalo an-keriny niaraka tamin’ny omby tany Antsampanana Borikely, kaominina ambanivohitra Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, izy ireo. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary.
Nivoaka ny alatsinainy lasa teo ny valim-pitsarana tamin’ny raharaha fanompana sy famonoana mpamily iray tetsy Manjakaray. Voasazy higadra herintaona an-tranomaizina, sazy mihantona, miampy fandoavana onitra 1 tapitrisa Ariary, ireo roa lahy tompon’antoka.
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo amin’ny toby fiantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny karana, afakomaly hariva. Tratra nanendaka niaro herisetra izy ireo. Nahitana basy roa sy bala enina, antsy iray ary ody ratsy maromaro, niampy vola 8 tapitrisa Ariary teny amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Nentina eny amin’ny biraon’ny CSP5 Mahamasina ireto tontakely ireto hanaovana fanadihadiana.




