Toekarena : 11% ny harinkarena faobe ny tahan’ny hetran’i Madagasikara

Ambany ny taham-pampidirana hetra eto Madagasikara, izay anisan’ny mamatsy vola anatiny ny tetikasa atao. Mahalana sady tsy mahafantatra ny fampiasan-ketra ny ankamaroan’ny Malagasy.

«Mila ezaka ny fampitomboana ny hetra izay tsy mi­sy afa-tsy 11% ny harinkarena faobe monja», raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola vaovao, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, omaly, teny Anosy. Nambarany fa tafakatra hatrany amin’ny 18% ny harinkarena faobe ny hetra any amin’ireo firenena mandroso.
Ho laharam-pahamehana ny hampandrosoana ny toekarana amin’ny alalan’ny hetra ho an’ny famatsiam-bola anatiny. Isika rahateo ma­nana manam-pahaizana afaka mijery izany, raha ny nambarany. Hojerena ihany koa ny fiantraikan’ny fandaniam-bolam-panjakana mifanaraka amin’ny filan’ny Mala­gasy. Ho vaindohan-draharahan’ny mini­sitera ny hisarika ny mpama­tsy vola vahiny han­draharaha eto amintsika, hanamafisana ny famoronana asa sy ny ta­han’ny fampanananasa. No­tsin­driny manokana fa vonona hifampidinika amin’ny sehatra tsy miankina ny tenany hampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana. Miiba ary la­tsaky ny 0,7% ny tahan’ny ha­rinkarena faobe avy amin’ny seha-pamokarana faharoa.
Tetikasa
Nilaza ny minisitra fa na­petraka omaly, teny amin’ny Antenimierampirenena, ny vo­lavolan-dalàna mifehy ny fi­tantanam-bolam-panjakana (PLFI) 2026. Ampidirina ao anatin’izany ny fanovana ta­kin’ny mponina. Marihina fa miompana tanteraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanavaozana ny fanjakana ny asa rehetra hotanterahina. Tsy hisy ny fandeferana manoloana ny kolikoly, jerena manokana ny lafiny sosialim-bahoaka sy ny fampiroboroboana ny toekarena. «Vonona hiara-mi­entana sy hiaraha-miasa amin’ny rehetra ny tenako», hoy hatrany ny minisitra.
Tsiahivina fa natao omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fitanta­nam-bola sy ny toekarena teo aloha, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny minisitra vaovao. Voalaza fa efa tsy miasa eto Madagasikara intsony ny minisitra teo aloha fa miasa any Etazonia ka ny sekretera jeneralin’ny minisitera no nanao sonia ny famindram-pahefana.

Henintsoa

Partager sur: