Tetikasa Produir: Tsy misy ny fanotorana tany

Nitondra fanazavana ireo tomponandraikitry ny tetikasa Produir sy ny Apipa, manoloana ny filazana fa manototra tany ny fiaraben’ny Tetikasa. Fanotorana tany vonjimaika no atao eny Namontana Anosibe, handehanan’ny fiara vaventy manala ireo fotaka, mialoha ny hitaterana azy any Iarinarivo Ambohidratrimo. Misy ny fahazoan-dalana manokana hanaovan’izy ireo izany. Satria tanimbary ny manodidina ny tatatra C3, ka tsy maintsy misy ny fanotorana tany ahafahan’ny milina mandroaka ny fotaka. Eny Anosivavaka ny asa izao no mandeha. Amin’ny alina no taterina ny fotaka mankany Iarinarivo.
Mirefy 13 km ny halavan’ny lakandrano diovina, esorina fotaka, ao anatin’ny tetikasa Produir. Mitotaly 120 000 m3 ny hadirin’ny fotaka, ka efa vita ny 70 000 m3, ka 15 000 m3 no efa voatatitra eny Iarinarivo Ambohidratrimo.

Njaka A.

Partager sur: