Orinasa Star : Nitombo 293% ny hetra nalaina amin’ny labiera

Niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ny zava-pisotro labiera nanomboka ny taona 2020 hatramin’ity 2025 ity. Tafakatra 850 Ar isaky ny litatra raha 290 Ar/l izany teo aloha, izany hoe nisy fitomboana 293%. Vokany, tsy maintsy nampiakarina ny vidiny nefa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpanjifa intsony.
Manoloana ireo, tandindonin-doza ny lalam-pamokarana malagasy, satria ahitana asa raikitra miisa 3 700, tan­tsaha mpamokatra 20 000, mpaninjara 350, toeram-pivarotana 25 000, mpiara-miasa samihafa 1 100. Izany hoe, ma­­nodidina ny 55 000 ny fianakaviana mivelona sy mi­sehatra amin’ity lalam-pihariana ity, iharan’izao fampiakarana ny hetra izao.
Mitsinjo hatrany ny kalitaon’ ny vokatra ny orinasa Star, ka tsy azo ihodivirana ny fampiakaram-bidy. Sahirana ny mpiara-miombon’antoka, satria tsy mandeha ny tsena sy ny varotra.
Fanovana ny hetra

Raha ny fanazavana, ma­naiky ny Star fa ilaina ny fampidiran-ketra. Saingy miantso ny governemanta ity orinasa ity hiverina hifampidinika ma­­hakasika ny politikan’ny hetra ampiharina. Takiny ny hampidinana ny Droit d’accises amin’ny labiera. Satria izay ihany no hany vahaolana ahahafahan’ny rehetra mividy ny vo­katra, sady mitsinjo ny indostria eto Madagasikara. Tsy nisitraka tombontsoa manokana ny Star hatramin’izay ny Star, saingy mitaky ny hiarovana ny indostria ma­lagasy.

Njaka A.

Partager sur: