VAOVAO TAMBATRA

Tapaka tanteraka ny famatsian-drano ao Toamasina. Vaky omaly hariva ny tohodranon’i Fa­rafaty izay miantoka ny famokaran-drano. Ritra ny fan­tsona mitondra ny rano avy ao amin’ny tohodrano mankany amin’ny toby fanosehan-drano. Tonga teny an-toerana ny teknisian’ny jirama mijery ny fomba mi­hazona ny rano ao amin’ny tohodrano ka ahafahana mamatsy indray ny isan-tokantrano.

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny ABS­Mada. Tetikasa manome lanja ny harena fototarazo (ressources génétiques) avy amin’ny harena voajanahary. Tanjona ny ahafahan’i Madagasikara sy ny mpisehatra tsirairay misitraka tombontsoa avy amin’ny fanomezan-danja ny harena fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana amin’ny fampiasana ny harena voajanahary. Natolotra ny alarobia teo ireo asa mivaingana vita sy ny lesona azo notsoahana.

Zana-trondro tilapia miisa 7 500 sy sakafon-trondro 75 kg no nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro Ao Ambatoharanana, distrika Fenoarivo atsinanana. Hetsika hanohanana ny tantsaha sy ny fihariana ataony. Hiaraha-mahalala fa tatikady hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny sehatry ny jono. Manatsara ny velo-tena sy kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena ny jono.

Partager sur: