TSELATRA

Kilan’ny afo tanteraka ny trano maherin’ny 40 isa tany amin’ny kaominina Ambinanisakana, distrikan’i Soanierana-Ivongo, Faritra Analanjirofo, afakomaly maraina tamin’ny 10 ora. Tsy fantatra ny antony niaingan’ny afo fa tsy nisy olona tao an-tanàna. Niitatra ny afo noho ny aherin’ny rivotra ka namely ireo trano maro ireo. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin’io tranga io.
Nanao fitokonana manoloana ny tranon-dRavatomanga Mamy, tetsy amin’ny fokontany amboaroy, commune ambohibao antehiroka, ireo fokonolona, ny sabotsy maraina teo. Tapaka ny rano eny an-toerana nefa mandeha foana kosa ny ao amin’ny tranon’io mpandraharaha io, ka anton’ny fitokonanan’ireo olona ireo. Nandoro kodiarana sy nanapaka ny lalana izy ireo nandritra izany.
Tovolahy 15 taona, namoy ny ainy niharan’ny fanafihana tany amin’ny Campus Universitaire, tany Antsiranana, ny sabotsy alina lasa teo. Olona iray hafa ihany koa naratra mafy ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly izy. Maro ireo mpianatra no tsy natory niaro sy niambina ny faritra nanomboka ny alina.
Trano misy rihana ihany koa no nirehitra tany amin’ny fokontany Avaratanàna, boriborintany fahenina, ny zoma hariva lasa teo. Olan’ny herinaratra ny antony nahatonga ny firehetana, satria lasa nitsena mpianatra ny renim-pianakaviana tao an-trano. Nifanome tanana namono ny afo ny fokonolona. Nampiasaina ny tahirin-drano, ny rano maloto mikoriana anaty tatatra ary ny rano tamin’ny vovo, satria tapaka ny ranon’ny Jirama tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. May kilan’ny afo tamin’izany, ny efitra roa tao ambony rihana.

Partager sur: