Nidina ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ny volana novambra, nijanona tamin’ny vidin’ny teo aloha kosa ny litatry ny lasantsy.
Nahitam-piovana indray ny vidin-tsolika ho an’ny volana novambra. Voatazona tamin’ny vidiny tamin’ny volana oktobra ny vidin’ny lasantsy eny amin’ny toby famatsiana mandritra ity volana ity. Nihena kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra, izay samy nahitana fihenana 150 Ar sy 70 Ar tsirairay avy, araka ny antontan-kevitra navoakan’ny ofisim-pirenena momba ny akoranafo (OMH).
Noho izany, mijanona ho 5 060Ar/l ny lasantsy nanomboka ny sabotsy teo. Vidiana 4 550 Ar/l kosa ny litatry ny gazoala raha 3 400 Ar/l ny solika fandrehitra.
Teo aloha, novidiana 3 470Ar ny litatry ny solika fandrehitra raha tafakatra hatrany amin’ny 4 700Ar ny litatry ny gazoala.
Manomboka zatra sy manaraka ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Malagasy, fepetra izay nampiarina teto amintsika nanomboka ny volana janoary teo. Na izany, tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar ny fanovana araka ny fifanarahana tamin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).
Fanjifana
Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mitobaka ny vokatra eo amin’ny tsena saingy mihena ny mpanjifa. Ny sabotsy teo, tafidina hatrany amin’ny 64,77 dolara ny iray barila (159 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Manomboka miverina tsikelikely ihany koa ny tsena eny amin’ny tobin-tsolika eto amintsika taorian’ny krizy niseho teo aloha, izay nampihiba tanteraka ny fanjifana. Na izany, mbola manantena ny fidinan’ny solika hatrany ny mpanjifa, indrindra ho ireo fiara mpitatitra izay ampiasana gazoala sy be mpampiasa eto amintsika.
Henintsoa




