Operation Smile : Nanome 26 750 euros ny orinasa DHL

Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Vondrona orinasa DHL Group, misehatra amin’ny fitaterana taratasy, antontan-taratasy, entana maneran-tany. Nanolotra vola mitentina 26 750 euros ity orinasa ity, ho an’ny fikambanana Operation Smile, ny alakamisy 30 oktobra teo. Entina hikarakarana ny ankizy misy tsy fahatomombanana amin’ny vava, na ny lanilany ary ny rafi-pitsaboana amin’ny ankapobeny io vola io. Anisan’izany ny hanatsarana ny Hopitalibe any Ana­lankinina Toamasina.
Avy amin’ny hetsika « DHL’s Got Heart », karakarain’ny mpiasan’ny DHL no nanagonana io vola io. Fi­tsaboana maimaimpoana ny fiaraha-miasan’ny DHL sy ny Operation Smile. Misy koa ny fizarana sakafo ao anatin’ny Nutrition Bootcamp. Manolo-tena miasa an-tsitrapo ny mpiasan’ny DHL ao anatin’ireo hetsika roa ireo. Anisan’ny natao vao haingana, ny fividianana « couches » sy yaorta ho an’ireo zaza tsaboina, ao anatin’ny Operation Smile.
Nilaza Raharimanantsoa Fa­neva, fa anisan’ny hampiasana ny vola 26 750 euros, ny hampitomboana ny isan’ny za­za ho didiana ny vava sy ny ativava. Miantso ny sehatra tsy miankina hafa ny DHL hanao hetsika RSE toa an’izy ireo izao.

Njaka A.

Partager sur: