Dahalo telo lahy nikasa hanafika mpandraharaha maty voatifitry ny zandary, omaly, tany Ambato Boeny. Nifanandrina tamin’ny zandary izy ireo ka izao lavo izao. Teny an-dalana avy any Andranofasika hihazo an’Ambato Boeny (lalam-pirenena faha-33bis) ireo olon-dratsy ireo ny alin’ny alatsinainy, tamin’ny
11 ora. Nanao vela-pandrika ny zandary ka nahatrarana azy ireo. Nahitana basy vita tanana roa sy bala maromaro teny amin’ireo jiolahy. Mitohy ny fanadihadiana hamantarana ireo mbola mpiray tsikombakomba tamin’ireo lavo.
Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona maty tao anaty fiara fitateram-bahoaka zotra 150, omaly atoandro. Raha ny fanazavana voaray, nandray fiara teny amin’ny fiantsonana Akoho Anosibe izy. Tsy nisy aina intsony anefa rehefa tonga tany amin’ny faran’ny Taxi-be Soavimasoandro. Efa naterina eny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny razana.




