Voasambotra tao anatin’ny efatr’andro misesy ireo olon-dratsy voatondro ho naka an-keriny tovovavy iray tao Andranomisy, distrika Anjozorobe. Tratra nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 janoary teo, tao Bemahia kaominina Marotsipoy sy Anosivolakely kaominina Andranomisa avokoa izy rehetra. Ary natao sarika am-pandriana mihitsy, hoy ny fanazavan’ny zandarimarian’Imerina centrale, nandray an-tanana ny raharaha. Voasambotra anatin’izany ireo lehilahy miisa efatra sy vehivavy roa niray tsikombakomba tamin’ity asan-jiolahy ity. Ireto farany izay mpamatsy sakafo sy mpampiantrano ireo olon-dratsy ireo. Ankehitriny, roa lahy hafa atao hazalambo. Ny 04 janoary teo, nalain’ny jiolahy an-keriny tao Andranomisa, kaominina ao ihany ilay tovovavy 19 taona. Fantratra tamin’izany fa mpianatra taona faharoa eny amin’ ny oniversite izy. Etsy ankilany, nandray an-tanana ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Vao nahalafo vary enina taonina mitentina 12 tapitrisa Ar ny ray aman-drenin’ ilay tovovavy, antony nahatonga ny teti-dratsy. Andro vitsy taorian’io, nisy tamin’ ireo mpaka an-keriny no fantratra fa naka vola tamina “mobile money” sady nividy entana. Nitohy ny fanadihadiana, votsotra ny 24 janoary teo ilay tovovavy. Tratra nanaraka izay koa ny mpanao takalon’aina. Tao ireo mpaka an-keriny, ny mpiray tsikombakomba aminy, ireo mpamatsy ary ireo mpampiantrano. “Misy amin’ireo jiolahy ireo no efa nokarohina hatry ny ela ka izao tratra izao. Misy mpianaka sy mpihavana mihitsy izy ireo ary misy rahalahin’izy ireo no efa eny Antanimora, voasambotra ny taona 2022”, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritr’ Imerina centrale. Nohamafisiny fa misy efa nigadra noho ny resaka fakana an-keriny ireo namany mbola karohina. Mbola hitohy ny famotorana ity tranga ity.
Henintsoa Hani