Mikatona avokoa ny masoivohon’ny Jirama manerana ny Nosy, manomboka androany. Miroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa. Tsy mandray baiko avy amin’ireo mpitantana ka hampihatra ny
« service zero » izy ireo. Tsy mankasitraka ny sata vaovaon’ny orinasa ny mpiasa ka manamafy ny fanafoanana izany sy ny fanalana ny tale jeneraly, Ron Weiss. Mitsahatra ihany koia ny fifampiraharahana.
Narenina ny vahilava vaky any amin’ny lemaka PC15 Marianina, Ambatondrazaka, manondraka velaran-tany 3 600 ha. Natao voalohany, ny 7 novambra teo, ny tany amin’ny vahilavan’Andranimangatsiaka, ezahina ho vitaina ny herinandro voalohany ny volana desambra ho avy izao izany. Amin’io fotoana io mantsy no hosokafana ny rano hanondraka ny lemaka. Manao ny asa ny minisitera, ny tetikasa Riz plus, ny federasionina ary ny tantsaha.
Miisa 40 ny mpiofana momba ny fiompiana trondro tany amin’ny faritra arovana Bombetoka, Beloboka, Mahajanga II, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy maharitra hiarovana ny harena voajanahary. Nitarika ny fiofanana ny CDA sy ny Delc any Mahajanga. Vonona hampihatra ny fiofanana azony ireo mpamokatra trondro nisitraka ny tombontsoa.




