Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena ny toekarena manga. Ankehitriny, misokatra tanteraka ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny fitrandrahana drakaka. Na izany, mila manaja ny fitsipika hifampifehezana ny rehetra hiadiana amin’ny kolikoly sy hisorohana ny fanararaotana. Tokony ho matihanina tanteraka ireo mpisehatra hitsinjovana ny tombontsoam-pirenena sy hanatsarana ny vidim-bokatra. «Tokony hanaja ny fitsinjarana ny mpandraharaha ka antsoina ny handrosoan’izy ireo soso-kevitra momba izany», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Chan Kit Waye Jaco. Nambarany fa «tokony hilanja 4 250 T ny lanjan’ny drakaka azo trandrahana. 11 sm ny refy kely indrindra amin’izany». Anatin’ny fanadiovana tanteraka ity seha-pihariana ity ny minisitera ka tsy handefitra amin’ireo mpanao kolikoly. Marihina fa hisokatra manomboka ny 15 desambra ny taom-panjonoana drakaka manerana ny Nosy. Ankoatra izay, hosokafana ho an’ny rehetra fitrandrahana ny makamba sy ireo hafa ho an’ny tombontsoa iombonana dia ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena amin’ny alalan’ny toekarena manga.
Henintsoa




