Fifanakalozana. Niompana tamin’ny fanorenana ny toekarena ny dinika andiany fahavalo ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (8ème table ronde économique) niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE), omaly, tetsy Ambodivona. Hirafimbona ny roa tonta hanatsara ny rafi-pamokarana eto amintsika izay mbola ambany; satria ampahadimin’ny salanisa ankapobeny eto amin’ny faritra atsimon’i Afrika ny an’i Madagasikara. Laharam-pahamehana, araka izany, ny hijerena ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny fandraharana, tafiditra ao anatin’izany ny fanalefahana ny hetra. Ankilany, vonona hiara-miasa amin’i Madagasikara ny UE hampandrosoana ny toekarena. Nilaza ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, Roland Kobia, fa: «an-dalam-pamaranana ny fifanaraham-piaraha-miasa ny roa tonta amin’izao fotoana ka omena vahana manokana ny tombontsoan’i Madagasikara». Hifantoka manokana amin’ny filana fototra sy fanatsarana ny famatsiam-bola izany.
Fiaraha-miasa
Laharaham-pahamehana tao anatin’ny dinika natao ny hampiroboroboana ny fampiasam-bola. Miandrandra ny fiakaran’ny fampiasam-bola ho 15% ny Sendikàn’ny indostria eto Madagasikara (SIM) mba hiakaran’ny tahan’ny fampanan’asa anatin’ny roa taona.
Ankoatra izay, nanamafy ny masoivoho fa mitazona ny laharana voalohany amin’ireo mpiara-miombon’antoky ny firenena i Eoropa. Miondrana any an-toerana avokoa ny 33% na ny 1/3 ny vokatra avy eto Madagasikara.
Henintsoa




