Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal.
Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika azy izy ka tapitra hatramin’ny ainy. Afakomaly alina mbola nijery baolina nifandonan’ny ekipam-pirenena sy ny avy any Sénégal ny tenany. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo, nanao ny asa ratsiny ny mpangalatra nanokatra ny tsenany. Raikitra ny fifandonana ka tsy namelan’ny jiolahy ity tompon-tsena. Voatsatok’antsy teo amin’ny fony izy ka naratra mafy. Mbola noentina teny amin’ny sampana vonjy ainan’ny HJRA ity niharam-boina saingy indrisy tsy tana ny ainy. Etsy ankilany, voasambotry ny fokonolona kosa ilay voalaza ho nahavanon-doza..
Nihinana poizim-boalavo
Ankoatra ity, nahitana faty olona teny Ambatomitsangana, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely. Lehilahy iray 45 taona no nitsirara tao anaty bozaka, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo. Noho izany, nampandrenesina ny zandarimaria teny an-toerana. Minitra vitsy taorian’izay, tonga ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nijery ny zava-nisy. Nahitana taratasy (CV) teny amin’ilay maty, tsy lavitra azy teo koa ny tavoahangy plastika misy toaka ary harona kely misy poizim-boalavo. Hita nandritra ny tsirika nataon’ny mpitsabo fa nisy faroratra fotsy nivoaka tamin’ny vavany. Voamarina tamin’izay fa nihinana poizim-boalavo ilay lehilahy, antony nitarika ny fahafatesany. Fantatra ny mombamomba azy. Rakotovahoaka Tsiry Rindraniaina no anarany ary monina eny amin’ny fokontany Antanambao izy, araky ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria. Taorian’izay, nantsoina ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina mba hanome fiara hitondrana ilay vata-mangatsiaka. Natolotra ny fianakaviany kosa izany rehefa avy nozahan’ny mpitsabo. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandarimarian’ Ambohimangakely.
Henintsoa Hani




