Nitondra fanazavana, manoloana ny hevi-dison’ny sasany. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry indray tany Marovoay, omaly, ny nambarany tany Ilaka Est, Vatomandry. Nambarany tamin’izany ny hijerena ny sosialim-bahoaka.
“Rehefa niteny aho hoe ajanona aloha ny fotodrafitrasa, tsy midika izany fa tsy hanao fotodrafitrasa intsony isika. Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany fa tsy maintsy hatomboka ary faranana ny lalambe migodana “Autoroute”, tsy maintsy faranana ny “Pipeline, ny sekoly, ny oniversite. Atao laharam-pahamehana kosa ny sosialim-bahoaka. Manomboka eto Marovoay izany fanampiana izany noho izy ireo traboina tamin’ny rivodoza, araka ny nambarany.
Nanteriny fa amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao no tena hahafantarana ny tena namana. Tsy am-bava fotsiny ny fitiavana fa manome porofo.
Nahazo moto
Notoloran’ny filoha fitaovam-pamokarana “Motoculteur, motopompe, charrue” ireo tantsaha tamin’izany, tamin’ny nanambarany fa aleo manome harato, toy izay manolotra trondro. Nahazo moto “Cross” avy koa ireo ben’ny Tanàna rehetra any an-toerana mba tsy handeha an-tongotra intsony rehefa mitsidika eny ifotony sy hikarakarana vahoaka. “Miaraka hatramin’ny farany isika”, hoy ny filoha.
Manampy izany ny fizarana vary isaky ny fianakaviana sahirana. Hifantoka tanteraka amin’ny fanampiana ny tanora, ireo tantsaha, ireo madinika sy ireo ankohonana sahirana isika, araka ny nambarany ihany.
Omena vola ny isan-tokantrano
Nitodika manolana an’ireo fikambanam-behivavy manerana ny Nosy ny tenany ny amin’ny tokony hanaovan’izy ireo tetikasa, ahafahana manampy azy ireo. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Mponina izany. “Misy vola 5 tapitrisa Ar omena ny fikambanam-behivavy tsirairay eto Marovoay”, hoy izy. Mbola nisitraka kojakoja samihafa koa ireo fikambanam-behivavy. Anisan’izany ny vilany, siny… Natsidiny sahady fa ho avy amin’ny herinandro ny fanampiana ara-bola, 120 000 Ar isan-tokantrano ho fitsinjovana ny vahoaka.
Nambarany koa fa hojerena ny hanamboarana ny kianja ao an-toerana sy ny handraisana ny antontan-taratasin’ireo mpampianatra Fram.
Synèse R.