Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondrahilany, distrikan’i Mananara Avaratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Nifampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa aminy. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io lehilahy io. Niara-nientana avy hatrany ny fokonolona sady nandray andraikitra rehetra izay heverin’izy ireo hahavonjy io olona io. Na izany aza, tsy mbola hita ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy mpitondra baka hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. Ankoatra io, hita faty ilay ramatoa 45 taona rehefa nokarohina nandritra ny telo andro, tao amin’ny renirano iray tao Ambatofotsy Marovoagnana, distrikan’i Maroantsetra. Namonjy fivoriana momba ny famangiana rafozana izay fanaon’ny fianakaviana tao amin’io fokontany io ireo olona ireo, ny zoma 2 janoary lasa teo. Nitodi-doha hamonjy ny tokantranony izy ireo taorian’izay. Nandeha niampita lakana hihazo ny fokontany Bivato ireo olona ireo kanjo lasan’ny rano tampoka tamin’ny 2 ora sy sasany. Nikoropaka ny manodidina nikaroka azy ireo saingy nanao sarotra ny fikorohana. Niakatra be ny rano sady nanorana raha teo ny andro. Nanao filazana tamin’ny fokonolona monina manodidina ny renirano Vomaro ny tomponandraikitra ao an-toerana. Nanentana azy ireo mba hampandre avy hatrany ny manam-pahefana raha toa ka mahita olona entin’ny rano amin’iny faritra iny. Efatra andro taty aoriana, hita faty omaly maraina ny iray tami’ ireo renim-pianakaviana roa lasan’ny rano ireo. Vatana mangatsiaka hany sisa nakarin’ny fokonolona tao anatin’ny rano. Vehivavy 45 taona manan-janaka telo io hita faty io. Karohina ilay ramatoa iray hafa hatramin’ny omaly. Marihina, ilaina ny fitandremana manoloana ny fiakaran’ny rano an-dRenivohitra hatrany ambanivohitra amin’izao vanim-potoana ny fahavaratra izao.
Tsiferana R.




