Miroso ny fanarenana sy ny asa fanamboarana ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra CTA2 an’ny Jirama, etsy Ambohimanambola. Vita tanteraka amin’izao ireo milina telo amin’ireo efatra ary efa miasa ara-dalàna avokoa raha mbola eo am-panamboarana kosa ny milina fahefatra, G2.
Araka ny fanambarana nataon’ny Jirama, omaly, «tontosa soamantsara ny fanamboarana ireo milina telo amin’ireo efatra ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama, CTA2 Ambohimanambola». Nambarany ihany koa fa «afaka mamokatra hatrany amin’ny 13,5 MW ireo milina telo ireo amin’izao fotoana izao, raha toa ka mbola an-dalam-panamboarana ny milina fahefatra G2 ». Efa nanomboka tsikelikely ny fampidirana herinaratra vaovao ao amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Tsiahivina fa ny 26 desambra 2025, nanambara ny Jirama fa «mitohy ny famerenana tsikelikely ny fiasan’ny CTA2 Ambohimanambola ary mampiditra angovo fanampiny ao amin’ny RIA». Tamin’izany dia 8,4 MW no efa nampiana ho fanamafisana ny famokarana herinaratra. Nanamafy izany ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’ afo (MEH) tamin’ny 24 desambra, nilaza fa vita ny fanamboarana ny milina G3 sy G4 ary «nahomby ny andrana fampidirana herinaratra tao amin’ny RIA». Raha ny fanazavany, « manome 3,3 MW ny G3 ary 5,1 MW ny G4 ». Nambarany koa fa «misy fanitsiana kely eo amin’ny turbo-n’ny G3 mba hahatratra 5 MW ny famokarany ».
Am-perinasa
Efa miasa ara-dalàna ny milina G1, izay namboarina herinandro vitsivitsy lasa izay, ary mamokatra 5 MW. « Ny famerenana tsikelikely ireo milina ireo dia natao hanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny famatsiana herinaratra eto an-drenivohitra sy ny manodidina », hoy ny MEH. Mahakasika ny G2, nanambara ny minisitera fa « kendrena ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2026 ny fanamboarana azy », ka hahafahan’ny CTA2 miasa amin’ny fahafahany feno, izany hoe, 20 MW. Araka ny MEH, “ny tanjona hamitana ny asa amin’ny G2 amin’ny fiandohan’ny taona 2026”, ka hahafahan’ny CTA2 mahatratra ny fahafaha-mamokatra feno 20 MW.
Henintsoa




