Lalam-pirenena fahenina (RN6): Mizotra am-pilaminana ny fitaterana

Miverina amin’ny laoniny ny fampitana fiara eo Ifasy, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) taorian’ny fahasimban’ny “carénage” izay ni­diran’ny rano ka niteraka tsy fahatomombanana tamin’ny fitaovana. Ity farany izay nampiato vonjimaika ny fitaterana, raha ny fampahafantarana na­taon’ny minisiteran’ny Asa va­venty. Nivoitra tao anatin’izay fa vita ny alatsinainy teo ny asa hanamorana ny fivezivezen’ny mpampiasa lakana sy ny fitateram-bahoaka. Ankoa­tra izay, efa mitohy ara-dalàna ny fivezivezen’ny fiara eny amin’ny lalam-pirenena RNS5 taorian’ny niverenan’ny baka eo Vahibe. Tsiahivina fa lasan’ny rano ny zoma teo ny baka noho ny rotsakorana tao an-toerana. Naverina nampiasaina izany ny alatsinainy teo taorian’ny fikarohana sy ny fanaraha-maso teknika sy ny fanamarinana fa azo ampiasaina. Nampatsiahivin’ny minisitera fa tsy ity baka ity no la­kana nitera-doza tany an-toerana fa lakana hafa nampita olona.

Fampandrosoana

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny faritra ny fitaterana noho izy lalana iray ahafahana mamoaka ireo vokatra mampiavaka ny any an-toerana fa indrindra mampifandray ny kaominina amin’
ireo manodidina azy. Na izany, potika ny ankabeazan’ny la­lam-pirenena eto Mada­ga­si­kara ka mampiroso fahana ny fampandrosoana ny fi­renena.

Henintsoa

Partager sur: