Maizina tanteraka ny tanànan’i Mandritsara noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika hampiodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama. Ratsy ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Mandritsara taorian’ny ora nikija nandritra ny telo andro, vokany voatery tafajanona ao Ambodiadabo, 50 km tsy hidirana an’i Mandritsara ilay fiarabe mitondra solika.
Mitotongana ny vola malagasy. Tafakatra 5 309,78 Ar ny Euro iray, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Mitentina 4 575,94 Ar kosa ny Dollars. Mihen-danja ny vola malagasy nandritra ny vanim-potoana ny fety. Ity farany izay mampiakatra ny ny fanafaran’entana maneran-tany.
Miaka-bokatra ny tantsaha amin’izao fotoana ka mampidina ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana. Manamora ny kajy sy ny fitantanam-bola ny isan-tokantrano izany amin’ity voalohan’ny taona izao. Mazàna, mananosarotra ny fitantanana manoloana ny fidanganan’ny vidin’entana eny an-tsena.




