Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy tsikera”

Miiabo ny fijery ho an’ny Kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy ny tsikera, hoy izy, amin’izao fiandohan’ny taona izao.

“Na eo aza ny fanenjehana sy ny tsikera maro, tsy natao ha­hakivy ireny fa vao mainka entina hanamafisana ny finiavana hanatanteraka ny tsara kokoa eo amin’ny andraikitra napetraka amin’ny tsirairay”. Io no anisan’ny hafatry ny filohan’ny fiadidiana ny Fanava­ozana ny Repoblikan’i Mada­gasikara, ny kolonely Randria­nirina Michaël, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2026, teny Iavoloha, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Teo ny, ny mpikamban’ny governemanta no­tarihin’ny Praiminisitra, ny mpi­kamban’ny Antenimieran­do­holona notarihin’ny filohany, ny mpikamban’ny HCC notarihin’ny filohany, ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana.
Notsiahiviny fa maro ny vola afafy amin’izao fotoana izao. Vola kendrena hanaovana fanakorontanana eto amin’ny firenena. Ny fifampitokisana, araka izany, no antoka lehibe hahazoana miasa amim-pilaminana mba hanatratrarana ireo tanjona lehibe napetraka hitondrana ny firenena mandritra izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Hiatrika fikaonandoham-pirenena ny Malagasy izao, izay fototra sy antoky ny famolavolana ny tondrozotra ho amin’ny firosoana amin’ny fifidianana ho amin’ny Repoblika V. Fa­ni­riany mba ho taona ijoroana amin’ny fiaraha-miasa ny 2026. Eo koa ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana am-po na fifampitokisana lavitry ny kajikajy politika. Ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy izany. Nasiany fanazavana ho an’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny amin’ny tambim-pankasitrahana 310 000 Ar nomena ny mpiasam-panjakana, izay ambim-bolam-panjakana no nozaraina.

R. Nd.

Partager sur: