Rakotovao Rivo : “Mifameno amin’ny fampihavanana ny fanadiovana”

“Raha ho an’ny antoko politika HVM: aleo aloha hajanona ny fifanarahana politika ho fanadiovana olona, fa aleo handeha ny lafiny fitsarana. Amin’izay, manadio an’ilay olona. Tsy ny lafiny politika no hanadio ny fomba fitantanan’ny tena teo amin’ny fitondrana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Hery vaovaon’i Mada­gasikara (HVM), Rakotovao Rivo, manoloana ny ady ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny tsimatimanota. Fanavao­zana, fanadiovana, famongarana an’izay ratsy… Ny dikan’izay: ilaina ny fanjakana tan-dalàna. Tsy mifanipaka amin’ny hoe fampihavanam-pirenena izany fa mifameno aza. Ao anatin’izay no hahazoana mijery hoe: inona no mahatonga firenena toy izao? Fana­diovana ny olona izany. Mety manadio izay raha sanatria manao ny tsy mety ny tena.
Mila mitandrina fotsiny ny fitondram-panjakana mba tsy hihoa-pefy amin’izay fanadiovana sy fanavaozana izay, fa izay araka ny lalàna no atao. Izay no maha tomponandraikitra ny tomponandraikitra. Raha tsy izany, tsy misy mitandrina eto. Lasa manao izay tiana hatao rehefa mahazo fahefana. Izay no mampahantra ny firenena toy izao, mampigadra olona amin’ny tsy misy dikany, mangoron-karena fotsiny eo… Tsy izy no mamorona: firy miliara dolara, hono, no nivoaka antsokosoko teto Madagasikara? Mbola atao hoe “hono” aloha… Na­no­mezana tombondahiny an­tokon’olona samihafa izany, ka nahatonga ny fahorian’ny vahoaka malagasy. Tsy tokony hohadihadiana ve izany? Izany ve dia atao hoe valifaty politika? Mba tsy mety kosa…

R. Nd.

Partager sur: