Efa hita taratra ny fanovana, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpanjaka telo tonta amin’ny foko Antesaka ao Vangaindrano, i Ndimbiarison G, afakomaly. Eo ny fiverenan’ny hasin’ny mpiasam-panjakana sy ny hasin’ny olom-boafidy izay nanara-drenirano teo aloha. Niverina koa ny zo fototra amin’ny fahazoana maneho hevitra. Hita koa ny tokony hanavaozana ny fitsinjaram-pahefana tena izy tamin’ny fampiakarana ho 24% ny vola isam-paritra sy ny kaominina izay 4% teo aloha.
Navotsotra ary eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana ny mpanolotsaina teknikan’ny lehiben’ny fanoherana eny anivon’ny Antenimierampirenena, i Soalihy Moussa. Taorian’ny famotorana azy teny amin’ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy izany. Tsy marina ny vaovao niely hoe nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy izy. Anisan’ny vesatra anenjehana azy ny fanohintohinana ny fitondram-panjakana, ny fikasana hanakorontana, fitaomana hankahala olona.
Nampita hafatra mivantana ho an’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert teny Tsimbazaza, afakomaly, fa tsy tokony hafangarony amin’ny raharaham-pivavahana ny fanaovana politika. Misy fetra ny fampiasana fahefana. Izany dia manoloana ny filazany fa tsy misy hahasakana ny fitoriana ny filoha teo aloha eny amin’ny Antenimierampirenena na i Jesosy aza.




