Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « héroine » miisa efatra mirahalahy nosamborin’ny polisim-pirenena tetsy Antohomandinika, ny alatsinainy 5 janoary teo.
Malaza ratsy amin’ny fisiana andiana tanora midoroka sy mitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika ny faritra Antohomadinika sy 67 Ha. Nanao fisafoana tampoka teny an-toerana taorian’ny nahazoany loharanom-baovao ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo raha teo ny ekipan’izy ireo momba ny fisiana andian’olona midoroka « héroine » ao Antohomadinika. Tsy vitan’ny midoroka, manamparitaka amin’ny alalan’ny famarotana io karazan-drongony mahery vaika ao an-toerana koa, ireo olona voatondro ireo. Notratrarin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny vela-pandrika maty paika ireo mpidoroka ireo. Sarona teo am-pidorohana ny lehilahy miisa efatra. Nosavaina teny amin’izy ireo ka nahatrarana fonosana kely «cocottes» miisa valo. Notanana natao famotorana avokoa izy efa-dahy. Tanora vao erotrerony ny roa lahy tamin’ireo voasambotra. Tsiahivina, anisan’ny mitarika fahasimban-tsaina ho an’ny tanora ka mahatonga azy ireo hanaotao foana ny fidorohana io karazan-java-mahadomelina mahery vaika io.
Tsiferana R.




