Saron’ny polisim-pirenena ireo roa lahy, mpanendaka taxi-moto sy taxi-bisikileta tamin’ny fiandohan’ity volana janoary ity. Voasambotra tetsy Andranomena, ny alin’ny 04 janoary 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora alina lasa teo, ny olon-dratsy iray, izay nanendaka taxi-moto. Mody nanao mpandeha io lehilahy io ary novelesiny tamin’ny tavoahangy tampoka ny lohan’ilay mpitondra rehefa tonga teo Andranomena. Niantso vonjy anefa ilay lasibatra ka henon’ny Polisy. Natao ny fanenjehana ary tratra tsy lavitra teo ny nahavanon-doza.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa voasambotry ny polisy tetsy Anosipatrana ny 04 janoary 2026 tokony ho tamin’ny 08 ora alina teo. Tratra nanendaka mpitondra taxi-bisikileta nandeha teny amin’ny digue Anosizato izy io. Nosakanany ilay mpitondra bisikileta ary niady varotra saran-dalana izy. Nodarohany tampoka anefa ilay mpitondra taxi-bisikileta ka nentiny nitsoaka ilay kodiaran-droa. Nahavita nanao fitaraina teo amin’ny polisy miasa teo akaiky ity farany taorian’izay. Nanao ny fanenjehana ny polisy ka tratra ilay olon-dratsy.
Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy izy ireo nanokafana fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana. Efa naverina tamin’ ny tompony kosa ireo fitaovam-pitaterana ireo, taorian’ny fanamarinana.
Mino




