Vohemar : Vehivavy notsatohan-drafiny antsy

Naratra voatsatoka antsy ny vehivavy iray nandritra ny fifampikasihan-tanana teo aminy sy ny rafiny, tao Ambaton­drazaka, fokontany Antanamiketraka, any Antsirabe Avara­tra, distrikan’i Vohemar, ny 2 janoary teo. Nifamaly io vehivavy io sy ny vehivavy vadin’ny lehilahy iray. Samy sakaizan-drangahy izy roa vavy ireo ary samy niterahany iray avy. Tsy mifanalavitra raha teo fa misy rohim-pihavanana ireo vehivavy roa ireo. Raikitra tampoka ny ady ary niafara tamin’ny fi­fandra­trana teo amin’ny roa tonta. Norangotin’io vadikelin’ilay rangahy ilay tompom-bady. Nampiasa antsy ity farany ka na­havoa an’io rafiny io. Naratra mafy ka voatery nitsabo tena teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay voan’ny antsy. Nametra­ka fitoriana teny amin’ny manam-pahefana ny roa tonta taorian’io ady io. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandarimaria.

Tsiferana R.

Partager sur: