Tsy fitandreman’ny mpamily : Olona iray maty, 18 naratra mafy

Potika tanteraka ny fiara vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, araka ny tatitry ny zandarimaria sy ny nanatri-maso. Tovovavy iray namoy ny ainy, olona 18 naratra nentina namonjy toeram-pitsaboana.

Namoy ny ainy ny tovovavy iray tamin’ireo mpandeha am-polony tao anatin’ny taxi-borosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao Man­garivotra, fokontany Mora­­fe­no, distrikan’Ankazobe, teo amin’ny PK95+300, omaly maraina. Niainga avy any Mahajanga io fiara mpitatitra io ary nikasa hitodidoha hihazo ny Renivohitra. Tsy fitandremana sy tandrevaka na­taon’ny mpamily no antony nitarika ny loza, araka ny tatitry ny zandarimaria nanao ny famotorana teny an-toerana. Nivoaka ny arabe ny fiara taorian’ny fandehanana mafy ka nivadika tamin’ny an-kavian-dalana. Mafy ny dona ka namoy ny ainy teo noho eo ny vehivavy iray tamin’ireo mpandeha. Monina any Ambato­lampy io vehivavy io, araka ny loharanom-baovao. Voatsin­drin’ny fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nidina ifotony teny an-toerana ny manam-pahefana taorian’io loza io.

Zaza ny telo tamin’ireo naratra
Miisa 18 mianadahy mianaka ireo mpandeha naratra mafy vokatr’io lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4 io. Zazalahy 4 sy 7 taona ny roa raha toa ka ankizivavy 8 taona ny iray. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana natao fizaham-pahasalamana avokoa ireo naratra ireo ary noraisin’ ny mpitsabo an-tanana ny fikarakarana azy ireo. Nisy ta­min’ireo lasibatra tapa-tanana sy voadona tamin’ny lohany. Ankoatra ireo, potika tante­raka ny fiara sprinter miloko mena izay nitondra ny mpandeha. Naiditra am-balam-pa­monjana io fiara io. No­tanana atao andrimaso ny mpamilin’ ny fiara taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filami­nana teny an-kianja. Ilaina hatrany ny fahamailoan’ny mpamily sy ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza mahatonga faty olona tahak’izao.

Tsiferana R.

Partager sur: