Tsaramasay : Trano narodan’ny mpamonjy voina

Voatery narodan’ny sampana mpamonjy voina ny trano lehibe iray misy rihana tetsy Tsaramasay, boriboritany fahatelo, omaly. Nahitan’ny manodidina fahasimbana toy ny triatra sy efa antitra io trano lehibe io. Tokantrano maromaro miorina manodidina azy ka voatery nandray fepetra hisoro­hana ny voina tampoka ny tomponandraikitra. Nanangon-tsonia ireo mponina manodidina mba hanatanterahana io asa io. Nano­loana izany, nanapa-kevitra izy ireo fa ravaina ny trano. Nesorina ny biriky rehetra tsy hisian’ny loza sy ho fiarovana ireo mpiara-belona manodidina. Efa niorina am-polon-tao­nany maro ity trano ity, araka ny angom-baovao. Na izany aza, niandry ny tompon-trano noho ny fisian’ny entana sy kojakoja samihafa ireo mpanatanteraka ny asa. Nirongatra ny tranga fihotsahan’ny trano maromaro eto an-dRenivohitra rehefa vanim-potoana fahavaratra tahak’izao. Manampy amin’ ny fisorohana azy ireny ny fandraisana andraikitra ataon’ny tsirairay eny anivon’ny fokontany voakasika sy ireo manam-pahefana mahefa.

Tsiferana R.

Partager sur: