Vondrona Sodiat : Nahatratra 25 ireo fiara nogiazan’ny fanjakana

Nahatratra 25 ireo fiaran’ ny vondrona Sodiat, nogiazan’ny fanjakana, raha ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo, omaly. Nalain’ny mpitandro filaminana nandritra ny fo­toam-pisavana teo anelane­lan’ny volana novambra sy desambra 2025 avokoa ireo rehetra ireo. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo hatrany, tsy nogiazana ary tsy notahirizina, araka ny lalàna ny sasany tamin’ireo fiara nogiazana ireo fa ahina ho efa nisy nampiasa sy efa misy mikasa hivarotra. Anisan’ny niharan’ny fisavana ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 31 desambra lasa teo. Na­lain’ireo mpitandro filaminana nandritra izany, ny fiara vaovao miisa 14 tany an-toerana. Etsy ankilany, nosavaina koa ny Gare des Man­guiers, ny 31 desambra lasa teo ihany. Nalain’ireo mpanao fisavana ny fiara mpitatitra entana telo, marika Sino Truck. Nentina nizotra nankeny Iavoloha. Fiara iray tamin’ireo no tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny am-pandehanana. Nave­rina nankany Toamasina in­dray ny fiara roa ambiny taorian’izay. Fantatra fa niton­drana kaontenera ny iray ta­min’ireo kamiao.
Marihina fa niatombohan’ ny fisavana sy fakana ny fiara moa ny teny amin’ny Auto Dif­fusion Borosy etsy Tala­ta­maty, ny 1 novambra lasa teo. Lasan’ireo mpitandro filami­nana nandritra izany, ny fiara miisa valo. Araka ny filazan’ ireo vavolombelona, nisy ta­min’ireo fiara nogiazana ireo no hita nivezivezy teny amin’ ny manodidina taorian’izay.

Mino

Partager sur: